Teny iditra fivondronana (vondrona)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fitambaran' olona na zavatra mikambana ho iray: Noho ny fivondronan' ny fokonolona no nahatsanganana an' io trano sekoly io [Rajemisa 1985]
Fandikana frantsay groupement [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra Ary raha jerena toa tia fivondronana kosa isika Malagasy, dia lavitra antsika ny firaisan-kina! [Andriamalala: Fanagasiana]

Teny iditra fivondronana (vondrona)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fitambaran' ny firaisam-pokontany maromaro na vitsivitsy eo ambany fifehezan' ny lehiben' ny Fivondronam-pokontany ary ao anatin' ny Faritany [Rajemisa 1985]
Fandikana frantsay unité administrative équivalente à la [...] [tohiny Rajaonarimanana 1995]
Voambolana 
Teny mitovy hevitra fivondronam-pokontany
Ohatra Tonga teto omaly ny mpiasan'ny Fivondronana. [FOFAFIPE: Haivola]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31