Teny iditra zairina (zaitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy (lamba) Akambana amin' ny kofehy mba ho tonga akanjo: Nozairin' i Neny ny akanjoko
Avitrana, atohy: Nozairin' i Dadany fihavananay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be sewed [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on coud [1.8]
Ohatra Alohan' izany, tsy maintsy afatratra amin' ny gony ary zairina. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : zairina, zairiko, zairinao, zairiny, zairintsika, zairinay, zairinareo, zairin', zairin-, zairim-, zairi-
Ny lasa : nozairina, nozairiko, nozairinao, nozairiny, nozairintsika, nozairinay, nozairinareo, nozairin', nozairin-, nozairim-, nozairi-
Ny hoavy : hozairina, hozairiko, hozairinao, hozairiny, hozairintsika, hozairinay, hozairinareo, hozairin', hozairin-, hozairim-, hozairi-
Filaza mandidy : zairo
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/15