|
|
|
|

Teny iditra 1  Ny Tanindrazako
Singan-teny  2 tany, 3 razana
Sokajin-teny  4  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  5  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  6 Lala
Mpanonta printy  7  Ny Basivava. , 1907/02/22.
Lahatsiratra manontolo  8 
9  Mba mamiko toy ny tantely
10  Izay tanindrazako izay,
11  Fa toa fonenan’anjely
12  Tsaroako mandrakizay
13  Mba reko fa misy ny tany
14  ‘zay tsara dia tsara tokoa
15  ny ahy tsy latsak’izany
16  fa tany mba be zava-tsoa.

17  Ny rivotra izay mba mitsoka,
18  Mampody ny aiko tokoa
19  Ny volana tsy mba misoka,
20  Iriko ho endriny koa.

21  Ny vorona raha mihira,
22  Manaitra ny saina sy fo
23  Ny hazony miantso : “midira”
24  Fa eto no mahafa-po.

25  Ny taolan’Idada malala,
26  Mitana ny aiko ho ao,
27  Ny saiko dia toy ny adala,
28  Tsy miala fa ao aminao.

29  Mitana hiorina mafy
30  Ny tenan’Ineny tsy foy,
31  Aleoko ho olo-mihafy
32  Fa izy tsy azo nafoy
33  Fonenan’ny olo-malala,
34  Fonenan-tsy tiana ho lao,
35  Ny tiana tsy manan-tsahala
36  Tsy hita tsy ao aminao.

37  Ny kintana tena mazava
38  Mazava malefaka koa
39  Ny volana no mampisava
40  Ny aizina tsy mahasoa.

41  Ry tany malalako loatra,
42  Ny foko dia manina anao,
43  Na lavitra aza hihoatra,
44  Fa tsy tody raha tsy ao aminao.

45  Misento mahalana ihany
46  Ny foko raha lavitra anao
47  Ny hehiko zary tomany,
48  Ny tsiky tsy azo natao.

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/28