Teny iditra | fandiafasika | |
Singan-teny | fandia ; fasika | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Karazam-boronkely mahafinaritra izay matetika mandeha tsiroaroa ka manainganainga volombody matetika eny am-pandehanana; eny amin' ny fasika eny amoron-drano no ahitana azy matetika ka izany no nahatonga ny anarany, izay atao koa hoe lavasalaka na triotrio, salahy, seritse [1.1] | |
Fanazavàna teny anglisy | A species of sandpiper. Actitis hypoleucus , L. [1.2] | |
Fanazavàna teny frantsay | Guinette [1.54] | |
Anarana siantifika | Actitis hypoleucus | |
Ohatra | Iny mivoaka avy ao Ramatoa Ravoahirana, nitsipitsipika toy ny fandiafasika nahazo remby, mivimbina ravin-damba sy haingon'akanjo avy novidina teny amin'ny magazain'Iarivo.
[1.262] | |
Voambolana | Haibiby: vorona | |
Nohavaozina tamin' ny 2024/03/24 |