|
|
|
|

Teny iditra1  soso-kevitra
Singan-teny  2  sosoka, hevitra
Sokajin-teny  3  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  4  hevitra hafa noho ilay voalohany izay mety hanamafy kokoa na hitsipaka mihitsy aza ny mikasika izay nodinihina; tolokevitra atao mba hanampy ny efa voalaza na hasolo azy mihitsy fa heverina ho metimety kokoa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  5  suggestion [1.5]
Ohatra  6  Misy kosa anefa sosokevitra azo atolotra ary hanampy hampisondrotra ny fari-piainana. [4.27#]
7  Nanome sosokevitra ahy ny evekako hiara-mipetraka fotoana fohy amin' ireo fianakaviana faran' izay sahirana ireo aloha, izay vao misafidy ny hijanona miaraka aminy raha tiako. [1.369#]
Voambolana  8  Filôzôfia

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/09