Teny iditra (1/3) | 1 sahala |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja...: Mandehana amin' izao ianareo fa efa sahala izao ny anjaranareo [1.1] 4 Mitovy fa tsy sahala ireto satroka roa ireto, be vidy kokoa iroa volombatolalaka iroa [1.1] 5 Sahala amy...: tahaka ny, toy ny: Ny maka tsy miera dia sahala amin' ny mangalatra ihany. [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
6 Alike, the same; cf. mitovy, tahaka, toy [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
7 Identique, même [1.8] |
Ohatra |
8 sahala ihany izany, hoy Zaka. [2.5] 9 Malagasy sahala amiko avokoa ireo. [2.4] 10 Ny sandriny iray sahala amin' izao. [2.606] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Tovy hevitra | 16 sahalahala, mitovitovy, mifanahantsahana, mifanahatahaka, mifanendrahendra, mifandraidraika, mifandrindrarindra, mifanakaikikaiky, mifanentanentana, mifanendrihendry |
Mpanahaka | 17 Sahalahala, mitovitovy, mifanahantsahana, mifanahatahaka, mifanendrahendra, mifandraidraika, mifandrindrarindra, mifanakaikikaiky, mifanentanentana, mifanendrihendry |
Kamban-teny |
|
Teny iditra (2/3) | 19 sahalà |
Sokajin-teny | 20 filaza mandidin' ny mpamaritra sahala |
Fanazavàna teny frantsay |
21 Soyez égaux; terme par lequel on souhaite aux plaideurs qu'il n'y en ait aucun de vaincu [1.3] |
Tsanganana sy sary iray takila |
22 Ny mpamaritra mandidy rehetra |
Teny iditra (3/3) | 23 sahala |
Sokajin-teny | 24 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
25 Antonona: vilany sahala [1.78] |
Fivaditsoratra | 26 lahasa, sahala |
Nohavaozina tamin' ny 2023/10/02 |