|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  sahala
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja...: Mandehana amin' izao ianareo fa efa sahala izao ny anjaranareo [1.1]
4  Mitovy fa tsy sahala ireto satroka roa ireto, be vidy kokoa iroa volombatolalaka iroa [1.1]
5  Sahala amy...: tahaka ny, toy ny: Ny maka tsy miera dia sahala amin' ny mangalatra ihany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  Alike, the same; cf. mitovy, tahaka, toy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  Identique, même [1.8]
Ohatra  8  sahala ihany izany, hoy Zaka. [2.5]
9  Malagasy sahala amiko avokoa ireo. [2.4]
10  Ny sandriny iray sahala amin' izao. [2.606]
Haiendriteny 
11  Filaza mandidy :
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Matoantenin' ny iharana :
14  Anarana :
15  Mpamaritra :
Tovy hevitra  16  sahalahala, mitovitovy, mifanahantsahana, mifanahatahaka, mifanendrahendra, mifandraidraika, mifandrindrarindra, mifanakaikikaiky, mifanentanentana, mifanendrihendry
Mpanahaka  17  Sahalahala, mitovitovy, mifanahantsahana, mifanahatahaka, mifanendrahendra, mifandraidraika, mifandrindrarindra, mifanakaikikaiky, mifanentanentana, mifanendrihendry
Kamban-teny 

Teny iditra (2/3)19  sahalà
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny mpamaritra sahala
Fanazavàna teny frantsay  21  Soyez égaux; terme par lequel on souhaite aux plaideurs qu'il n'y en ait aucun de vaincu [1.3]
Tsanganana sy sary iray takila  22  Ny mpamaritra mandidy rehetra

Teny iditra (3/3)23  sahala
Sokajin-teny  24  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  25  Antonona: vilany sahala [1.78]

Fivaditsoratra  26  lahasa, sahala

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/02