|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  afobe
Singan-teny  2 afo, 3 be
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny anglisy  5 A children's game, but not with fire. [1.2]
Voambolana  6  Kilalao

Teny iditra (2/2) 7  afobe
Singan-teny  8 afo, 9 be
Sokajin-teny  10  anarana
Haiendriteny 
11  Tsotra :
Fanazavàna teny malagasy  12 (Fia. krist.) Toerana tsy ahitan' ny ratsy fanahy an' Andriamanitra mandrakizay amin' ny fiainana any ankoatra itỳ fiainana itỳ ary heverina fa ijaliany amin' ny afo be tsy mety maty
13 toerana ijaliana sy iferetana aina izaitsizy: Afobe ny fanambadiana tsy misy fitiavana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  14 enfer [1.3]
Ohatra  15  Toa afobe sahady izao fiainantsika izao, ry Neny ô. [2.470#144]
16  Aty aoriana vao ho fantatray fa maty tao amin' ny kalesimbin' afoben' i Moramanga i Dadafara. [2.472#247]
17  Ary hianao, ry Kafarnaoma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin'ny afobe hianao. [2.996]
Voambolana  18  Fivavahana

Fivaditsoratra  afobe, 19 faobe

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19