|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  amboa
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  10 [Antesaka] alika [1.78]
11 Biby mampinono, homan-kena, mizara ho karazana telo: mpiandry tanàna, mpihaza, mpanjohy ny olombelona. Mety ho velona hatramin' ny roapolo taona ny amboa; ny filaza ny feony dia ireto avy: mivovò, minaonaona, mitomany valala. Ny amboa dia lazaina koa hoe alika, izay fampiasan' ny olona matetitetika kokoa ankehitriny, nefa ny amboa no tena malagasy hiringiriny, ka ny ahatsapana izany dia ny habetsahan' ny ohabolana misy ny teny hoe amboa, izay bebe kokoa noho ny izay ahitana ny teny hoe alika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 a dog. [Swa. mboa, a dog.] [1.2]
13 a dog (a Bantu word) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 chien [1.54, 1.13]
15 chien (mot bantou) [1.8]
Ohatra  16  Tsy maniry lambo an'ala
fa manana amboa mahay mihaza
tsy maniry vorona an-danitra
fa tsara basy an-tanana
[2.131]
17  Sady matahotra ahy daholo koa ireo amboa maty ireo, ka raha vao tandindomiko fotsiny ireo dia mangovitra. [2.472#211]
Voambolana  18  Haibiby: mampinono
Mpanahaka  19  alika, 20  batritra, 21  fakon' olona, 22  fandroaka, 23  karin' olona, 24  katritra, 25  tsaikan' olona
Fikambanana  26  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 59 misy ny teny hoe amboa
Ohabolana  27  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  28 Randzavola: alika sy amboa ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2) 29  amboa
Sokajin-teny  30  anarana
Sampanteny 
Mpamaritra :
Fanazavàna teny frantsay  32 Se disait de gens éhontés [2.415]
Fikambanana  33  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe amboa

Fivaditsoratra  34 ambao, amboa, 35 aomba, 36 Moaba

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22