Teny iditra | 1 anaka |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.78] [Bara, Betsileo]
zanaka 4 [1.1] Teny mitovy tsy misy hafa amin' ny hoe zanaka, saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ireto fombam-pehezanteny manaraka ireto: a) raha misy mpamaritra anarana eo alohany: Efa lehibe anaka Razay ~ Maro anaka izy ~ Vao maty anaka Rabe. b) raha atao teny enti-miantso: Hendre tsara, anaka |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] a child, the young of anything; any one treated with affection; an affectionate and respectful mode of address. Avia, anaka, Come, child. This word anaka is also always used in the provinces where zanaka would be used in Imerina. [Mal. anak.] 6 [1.7] a child |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] enfant, mon cher enfant: |
Ohatra |
8 " "Eny, anaka," hoy Rafotsibe, "fa misaotra anareo aho. [2.293] 9 Izao no teniko aminao anaka: [2.324] 10 Efa lehibe anaka izy Ravokatra: [2.470] 11 Nanana anaka i Neny tamin' iny taona nahafahako fanadinana iny. [2.472] |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Ohabolana | 34 Ohabolana misy io teny anaka io |
Lahatsoratra |
35 Randzavola: anaka ao amin' ny Baiboly |
Fivaditsoratra | 36 akana, akàna, anaka |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |