|
|
|
|

Teny iditra1  mianaka (anaka)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  Teny enti-milaza ny fifandraisan' ny ray na ny reny amin' ny zanaka ara-pihavanana: Lasa nitsangantsangana Rabe sy Ikoto mianaka
4  Ny mianaka koa dia matetika enti-milaza olona roa izay toy ny ray aman-dreny sy zanaka ara-taona fotsiny na dia tsy mpifaninona aza: Mipetraha aloha ianareo mianaka hoy Rakoto tamin' ilay mpampianatra sy mpianatra niaraka taminy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5  used in speaking of parent (father or mother) and child. If there are two or more children with the parent, the word telo, etc., is added, as telo mianaka, etc. [1.2]
6  to be together as parent(s) and child(ren)
7  tèlo mìanaka: parents and one child; and so on according to the number of the children [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  être parents et fils [1.54]
9  parents et enfants (s) ensemble,
10  tèlo miànaka: parents et un enfant; et ainsi de suite selon le nombre d'enfants [1.8]
Ohatra  11  Nony tonga teo izy telo mianaka dia hatairana moa zany! [2.324]
12  Ry Katy mianakavy no mba mpamangy azy mianaka. [2.470]
13  Raha tsy izahay efa-mianaka no indray nanosika tsy nahasokatra azy. [2.471]
14  Ka iza no tianareo mianaka amin' ireto? [2.472]
Haiendriteny 
15  Ny ankehitriny :
16  Ny lasa :
17  Ny hoavy :
Kamban-teny 
Lohateny 
Ohabolana  20  Ohabolana misy io teny mianaka io

Fivaditsoratra  21  kiamana, makiana, manaika, maniaka, miakana, mianaka, Namakia, namakia-

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20