|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  angely
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Bibikely tokony 3 sm ny halavan' ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin' ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon' ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fivolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] the name of a species of cricket. Also called antsoindahy. The children are much given to catching these insects and making them fight.
5  [1.7] a cricket
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] grillon
Voambolana  7  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina
Tovy hevitra  8  antsiona
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny angely io

Teny iditra (2/2)14  angely
Sokajin-teny  15  anarana
Fanazavàna teny malagasy  16  [1.1] Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin' olona
Fanazavàna teny frantsay  17  [1.3] libertin, débauché
Sampanteny 
18  Mpamaritra :
Mpanahaka  19  angelingely, akanga, angatra, karandahy, mpiliba, mpanaram-po

Fivaditsoratra  20  angely, angile, angley

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02