|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  angely
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Bibikely tokony 3 sm ny halavan' ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin' ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon' ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fivolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 the name of a species of cricket. Also called antsoindahy. The children are much given to catching these insects and making them fight. [1.2]
5 a cricket [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 grillon [1.8]
Voambolana  7  Haibiby: tsy manan-kazon-damosina
Tovy hevitra  8 antsiona
Fikambanana  9  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe angely
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 11  angely
Sokajin-teny  12  anarana
Sampanteny 
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  14 Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin' olona [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  15 libertin, débauché [1.3]
Mpanahaka  16  akanga, 17  angatra, 18  angelingely, 19  karandahy, 20  mpanaram-po, 21  mpiliba

Fivaditsoratra  angely, 22 angile, 23 angley

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22