|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  angatra
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Matoantenin' ny mpanao :
4  Matoantenin' ny fameno :
5  Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  6  Tsy fanaovana araka ny rariny fa manome tombony na hitsiny ny hafa tsy tokony homena, na tsy manome izay tokony homena; fizarana tsy marina; fitanilana ka misy tombo sy hala, misy omena be misy omena kely. (Tsy fampiasa amin' izao fa miaraka amin' ny tsy mandrakariva: Tsy angatra fa mahay kosa aloha ny zana-dRasoa e!) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7  partiality [1.2, 1.7]
8  unfair dealing, unfair judgement
9  also false praise, flattery. [1.2]
10  unfairness [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11  partialité, préférences [1.8]
Kamban-teny 

Teny iditra (2/4)13  angatra
Sokajin-teny  14  anarana
Sampanteny 
15  Matoantenin' ny mpanao :
16  Matoantenin' ny iharana :
Voambolana  17  Fivavahana, finoana
Fanazavàna teny malagasy  18  lolo, avelo, fanahy [Betsimisaraka] [1.78]
19  matoatoa na lolo [Tanala] [1.78]
20  Fisehoan' ny fanahin' ny olona maty -- na biby koa aza -- izay mihelohelo manodidina ny velona ary mety ho hitan' ny velona mihitsy aza, indrindra amin' ny tarehin' ny afo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  21  spirit, ghost, demon. [1.2]
22  a ghost [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  23  ambiroa [Merina] [2.165]
24  fantôme [1.8]
Kamban-teny 
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny angatra io

Teny iditra (3/4)27  angatra
Sokajin-teny  28  anarana
Voambolana  29  Fahasalamana
Fanazavàna teny malagasy  30  Aretin' ny fantson' ny lalandrano amin' ny tenan' ny olombelona, izay vokatry ny mikraoba iray azo avy amin' ny fahalotoam-pitondran-tena [1.1]
31  karazan'aretina mifindra avy amin'ny firaisan'ny lahy sy ny vavy [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  32  gonorrhea, dyschuria; occasional pain in micturation. [1.2]
33  gonorrhea [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  34  blennorragie [1.8, 1.54, 1.13]
Kamban-teny 

Teny iditra (4/4)37  angatra
Sokajin-teny  38  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  39  maivana [Taimoro] [1.78]
Tovy hevitra  40  miangatra

Fivaditsoratra  41  angatra, atranga

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/15