|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  antoko
Fototeny  2  toko
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Andiany, sokajiny iray: Antokon-tafika
Fikambanana voafaritra tsara hiavaka amin' ny hafa: Antoko politika
Mpiaraka na mpikambana miray amin' ny tena, mpiara-dia: Antokonay ry Ranona ireny
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.13] catégorie, classe, parti, série
Ohatra  6  Teo an-tokotany izahay, dia nanao antoko-mpihira iray. [2.4#]
7  Io aloha dia porofon' ny fahalemen' ny antoko politika. [4.27#]
8  Eh, raha nahitan' ny olona antoko miaramila tonga tampoka! [2.270#]
9  Betsaka ny antoko-miaramila vita fiomanana ary niandry fiaingana fotsiny. [2.472]
Kamban-teny 

Teny iditra (2/2)13  antoko
Sokajin-teny  14  anarana
Fanazavàna teny malagasy  15  [1.78] [Betsimisaraka] tsatokazo, andry, andribe
Fanazavàna teny frantsay  16  [1.19] [Tankarana] pieux sur lesquels sont posées les solives du plancher de la case, comme varingarinsa

Fivaditsoratra  17  antoko, atokon, kanoto, kotano, kotona, natoko, ontako, tokoan, tokona

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02