Teny iditra | 1 antonona |
Fototeny | 2 tonona |
Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
4 Ampy: Antonona azy ve io vary io 5 Tsy kely tsy lehibe; tsy mafy tsy malefaka, mifanentana tsara: Izay vao antonona tsara ny hafanana ~ Tsy antonona anao velively iny akanjo iny fa milobaloba aoka izany 6 Sahaza, mifanaraka tsara: Tsy antonona anao io raharaha io fa ialao [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
7 suitable for; of a middling size; about the right thing, used of actions or things [1.2] |
Ohatra |
8 Hotolorako vady antonona azy izy, sady tia azy no inoako koa fa tiany. [2.499] 9 Ny zohy betsaka teny an-tendrombohitra dia antonona tsara ho amin' izany. [1.38] 10 Mba hihinana tokoa ireny androany satria hanina antonona ny vavoniny no tazany. [2.470] |
Ohabolana | 11 Ohabolana misy io teny antonona io |
Fivaditsoratra | 12 antonona, onontana, tononana |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |