Teny iditra antsojay (tsojay)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy [M. Richardson manao ny fototeny nihaviany ho soja; M. Malzac kosa mihevitra izany ho tsojay; M. Callet indray manao izany ho tsoja; ny hevitry ny teny anefa dia iraisany ihany] amin' ny fikendrena hanararaotra faingana ny fotoana sy ny toe-javatra mety indrindra hamelezana na hanaovana; antsontsany [1.10]
 [ an-tsojay ] Amin-kalozana mihoa-pampana [1.1]
 Fanararaotana ny fahadisoana kely mba hamelezana [1.1]
 Fanararaotana ny fahadisoana kely ataon' ny hafa, iniana, na tsia, mba hanararaotana sy hamelezana azy: Tsy mba manao antsojay akory ny mpanabe, fa ny hanasoa mandrakariva ny ankizy no tokony hokendreny [1.65]
Fanazavàna teny frantsay Avec une sévérité outrée [1.3]
Ohatra 
1Tsy izany ihany, fa anaovana antsojay ny fananan'ny Fiangonana tamin'ny fakàna an-keriny ny fitaovan'ny FJKM teny Alarobia [4.12]
2Tsy mba nomena ny toerana tokony hisy azy ny Indostria Malagasy fa toa an-jorombala lava, ampian’ny fingampingana samihafa sy ny antsojay eny rehetra eny. [4.39]
3Mitady hiseho lany ao amin'ny tsenan'i Soamanatombo ny antsonjay atao amin' ny mpivarotra [4.7]
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/10