|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  aretina
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Fanazavàna teny malagasy  4 Zava-mahazo mampangirifiry ny vatana
5 Karazan' aretina: aretin' andoha, aretin-tenda, aretin-tratra, aretin' avokavoka, aretim-po, aretin-kozatra, aretin-kibo, aretim-bavafo, aretim-bavony, aretin' aty, aretin-tsinay, aretin-tsofina, areti-maso, aretin-koditra, aretin-tsaina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 sickness, illness [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 maladie [1.3.fr#60, 1.8, 1.54, 1.13]
Ohatra  8  Mety koa ho azon'aretina, hoy i Dada. [2.442#]
9  Ny aretina moa dia efa maro no fongana. [2.445#]
10  Nisy indray aretina nandringam- Bahoaka. [2.59#]
Voambolana  11  Fahasalamana
Fikambanana  12  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 38 misy ny teny hoe aretina
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  14 Randzavola: aretina ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2) 15  aretina
Fototeny  16 aritra
Sokajin-teny  17  matoanteny mpamaritra
Haiendriteny 
18  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  19 qu'on endure, qu'on supporte [1.3#62]

Fivaditsoratra  aretina, 20 aterina, 21 ietrana

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21