| Teny iditra (1/2) | 1 atody |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
9 Zavatra misy tsirin' aina alatsaky ny vavy amin' ny biby, indrindra ny vorona, izay foy rehefa avy kotrehin-dreniny mandritra ny fotoana maharitra ka tonga bibikely na voronkely. Misy zavatra telo ao amin' ny atody, dia ny tapotsiny, ny tamenany ary ny akorany izay mandrakotra an' iretsy voalohany
[1.1] 10 vokatra ateraky ny fihaonan'ny tsiry lahy sy tsiry vavy [1.13] |
| Fanazavàna teny anglisy |
11 an egg. [Mal. telur; Dyak tulu; Nias adulu; Jav. andoy; other dialects, toil, tolo, telli, terani, atulu, etc.]
[1.2] 12 an egg [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
13 oeuf
[1.8, 1.13] 14 embryon, zygote [1.13] |
| Ohatra |
15 Omeo ronono sy atody potsehina izy, ary ataovy mafana sy aza avoaboaka any ivelany.
[2.472#161]
16 Noro tao an-tsain' ise tao, dia tsy mahagaga ankehitriny raha foy ny atody nakotrika. [2.5] |
| Voambolana | 17 Haiaina 18 Haibiby: (amin' ny ankapobeny) |
| Fikambanana | 19 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 40 misy ny teny hoe atody |
| Ohabolana | 20 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 21 atody |
| Fototeny | 22 tody |
| Sokajin-teny | 23 matoantenin' ny iharana |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
28 Atao tonga an-tseranana: Atodio soa aman-tsara ny sambolainay, ry Tompo
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
29 qu'on fait rentrer au port
[1.3] |
| Fivaditsoratra | atody, 30 tadio |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21 |
|