|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  be minono
Singan-teny  2  be, minono
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.78] [Taimoro] [beminono] zaza 18 taona no miakatra
5  [1.1] [Tsimihety] [beminono] Tovolahy tsaraina momba ny fandoavan-ketra
6  [1.1] ilazana ny zaza efa lehibe nefa tsy sarahina, ary anambarana koa ny olona miankindava amin' ny hafa, tsy mahavelon-tena raha tsy ampiana
Ohatra  7  Tokony ho fantatra koa fa ny tovolahy sihanaka efa mato-tsaina ka vonona ny haka vady dia lehilahy efa mahaleo tena: manana tanimbary sy omby misimisy ihany, fa tsy mba lehilahy mbola "beminono" (miankina amin' ny ray aman-dreny) [2.436#]
Mpanahaka  8  mpinonolehibe

Teny iditra (2/2)9  Beminono
Singan-teny  10  be, minono
Sokajin-teny  11  anaram-poko
Ohatra  12  Nisy faritra efatra tao amin' ny menabe, dia ny Ombalahifotsy, ny beminono, ny Masonkarena ary ny Dimanjehy. [2.508]
Voambolana  13  Haitoetany: firenena, foko

Fivaditsoratra  14  Beminono, be minono

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08