|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  dia
Sokajin-teny  2  mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Atao anelanelan' ny teny miverina indroa mba ho fanamafisan-kevitra: Soa dia soa
Mitovy amin' ny sy na ary: Nitsangana izy dia niteny
Kian-teny fampiasa: a) Mba hampitohy fehezan-kevitra roa raha lasa aloha ilay fehezan-kevitra miankina: Nony tonga izy dia niteny hoe.., b) mba hampitohy indraindray ny teny enti-milaza amin' ny teny lazaina: Rakoto dia mpianatra mazoto
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] probably the same as dia: step, and used originally to indicate the next step in the narrative, etc. and, and so, then, even, in the next place. It is used to complete phrases, as: Ary nataoko, dia vita izy (And I did it, and so it was completed)
It is often preceded by ka, as: Natsoinao aho, ka dia tonga (You called, me and so I have come)
It is often a mere elegancy of speech. It is also used between two words, making them emphatic, as: Tsara dia tsara, very good; nataoko dia nataoko (I did it again and again, or, I really did it
5  [1.7] of sentence inversion
in a series of verbs; also used for emphasis, as: tsara dia tsara: very good
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8] qui marque l'inversion de la proposition;
d'une série de verbes ; sert aussi à renforcer le sens, ex. : tsara dia tsara: très bon
Kamban-teny 
Anaram-biby 

Teny iditra (2/3)20  dia
Sokajin-teny  21  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  22  [1.1] Enti-milaza: Olona mivelona any anaty ala na any an' efitra ka tsy mahalala ny fomban' ny olona mandroso: Mbola misy olona dia, hono, amin' itỳ faritany itỳ
Biby na zavamaniry tsy ompiana na ambolena fa velona na maniriniry ho azy fotsiny eny: Mahafinaritra ahy itỳ voninkazo dia itỳ ~ Tonga dia ilay sakanay
Fanazavàna teny anglisy  23  [1.2] [Provincial] wild, roving, savage
24  [1.7] wild
Fanazavàna teny frantsay  25  [1.8] sauvage
Tsipelina hafa  26  dy
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 

Teny iditra (3/3)39  dia
Sokajin-teny  40  anarana
Fanazavàna teny malagasy  41  [1.78] [Taisaka] lalana naleha
42  [1.1] Ny halavan' ny felatongotra: Lava dia ny lehilahy noho ny vehivavy
Halavan-drefy miantomboka amin' ny voditongotra ka miafara ery amin' ny loharantsana (irain-jehy sy voatondro roa na ampahatelon' ny metatra eo ho eo): Telo dia ny halavan' itỳ hazo fisaka itỳ
Fandeha ataon' ny olona na ny biby amin' ny fampifandimbiasana ny tongotra roa mifanongontsongona hatrany: Hafaingano ny dianao fa diso fotoana isika
Fandehahana, fivahiniana: Dia lavitra izay nataonay androany izay
Soritra navelan-javanandalo: Misy diam-pihogo ny volony
Andiana, antokon' olona na biby miaramandeha: Nozaraina natao telo diany miaramila
43  [1.78] [Sihanaka] famindra, andiany: dia raika
44  [1.13] lafatra
Fanazavàna teny anglisy  45  [1.2, 1.7] a step; a journey
46  [1.2] a footstep, a mark. [Probably connected with Swa. njia, or ndia, a path, a road]
Fanazavàna teny frantsay  47  [1.82] [Taisaka] voyage
48  [2.415] La longueur d' un pied
49  [1.8] un pas; voyage
50  [1.13] trace, empreinte
Haiendriteny 
51  Tsotra :
Sampanteny 
52  Matoantenin' ny mpanao :
53  Matoantenin' ny iharana :
54  Matoantenin' ny fameno :
55  Anarana :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Lohateny  108  Ny Daty Malaza : na ny dian' i Jesosy Kristy teto Madagasikara (Rabary Jean-Joseph)
109  Ny diam-penin' ny Avana Ramanantoanina (Rakotonaivo François)
110  Ny diantsika olombelona (Doriguzzi A.)

Fivaditsoratra  111  adi, ady, -day, day, dia

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08