Teny iditra (1/2) | 1 mandia |
Fototeny | 2 dia |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Manitsaka, mandeha amin' ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin' Antananarivo io olona io mandritra ny dimy taona Mamakivaky: Mandia taon-tsarotra izao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza Mandrefy amin' ny tongotra: Mandia ny lavan' ny trano Rabe Mihatra: Mandia ny voalazako omaly fa indro tokoa àry famisy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny hevitrao! Tanteraka, mifanaraka amin' ny...: Salama daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran' io tanàna io Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: manitsaka, mandeha, mizotra, mivikiviky, mijaingijaingy, mijongijongy, mamikavikadia, mamilafila, mamindrafindra, manevika, mananika, miakatra, miorika, midina, mivalana, manaohitsindalana, manaotoratady, manaodianombyjamba, manaradrenirano, miraparapa, miparapaingo, mivarinaankady, mifatratraankady, mianjeraantevana, manaorebikondry, manaorabantsahona, manaofitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika, mirodorodo, migodongodona, manaofindraritsokina, manaodiamianotra, mihemotra, miantsorona, miantsoromianotra, mihazo, momba, mandalo, manapaka, manitsy, mamakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka, manivaka, mivily, misondrovaka, modymandry, mitampody, manaotampodyfohy, manaolavalina, mandryandalana, manorinday, manorindasy, miantsona, miondrana, mita, miampita, midika, mitody |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to tread, to step; to measure with the foot, to fall in with one's plans, to coincide with, to follow, to hit on the same idea, to correspond 6 [1.7] to tread on; to go on a way |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.3] Mesurer par pieds Entrer dans, parcourir fig. Etre payé de retour, se réaliser, s'accomplir, correspondre, coïncider: Vokatra ny varinareo ka mandia tokoa ny fikelezanareo aina (Vous avez une belle récolte de riz et votre travail est payé de retour) ~ Mandia ny voalazako omaly fa tonga hianao (Ce que j'ai dit hier se réalise car vous arrivez) ~ Mandia tokoa ny anarany (Le sens de son nom s'est réalisé tout-à-fait) ~ Mandia ny hevitro ny anao (Votre idée coïncide avec la mienne) 8 [1.8] parcourir, marcher sur |
Ohatra |
9 Tsy tongotro mandia alanana. [2.69#] 10 Tsy maintsy mandia ny tanin-drazako ialahy leiroa. [2.470] 11 Tsy tongotro mandia alanana, tsy tanako mandray joria; [1.406#] |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-poko |
|
Anaran' olona |
|
Anaran-toerana |
|
Teny iditra (2/2) | 28 mandia |
Sokajin-teny | 29 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
30 [1.78] [Bara]
manitsaka, manjo |
Fivaditsoratra | 31 adanim, amandi, andami, dainam, madañy, madina, manady, mañady, manday, mandia, manida, miadan, nadiam, namady, niadam |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |