|
|
|
|

Teny iditra1  fanandramana
Fototeny  2  andrana
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fampiasana zavatra vaovao vao namboarina mba ho fitsapana ny toetrany na ny fandehany
5  [1.13] asa fanaporofoana na fanamarinana na fampisongadinana fisehon-javatra iray
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#39] l'essai, l'expérience, l'épreuve, la dégustation
7  [1.13] expérience, expérimentation
Ohatra  8  Ny tenako no nanaovako fanandramana. [2.499#]
9  Santatra sy fanandramana aloha no hatao; [2.356#]
10  Aoka aho izay amin' ny tsapatsapa sy ny fanandramana. [2.4#]
11  Niseho ho mpandini-javatra sy sahisahy nanao fanandramana loatra izy io. [2.643#]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  14  fanandramana, fandramanana

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21