Teny iditra fanesoana (eso)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanaovana tsinontsinona, fanebahana, fanatsizarizariana: Tsy lefitro iny fanesoana ahy teo imasom-bahoaka iny
Famazivaziana, fananihaniana: Teny fanesoana fotsiny izany ka tsy mampiraika ahy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Le mépris, la moquerie, la raillerie [1.3]
Ohatra 
1Mizary fanesoana ny sangisangy zaritenany ifanaovany. [2.470]
2Ny kizaka dia teny tezitra feno fanesoana sy faniniana ary fanomezan-tsiny. [2.643]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/08