|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  farany
Sokajin-teny  2  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  3  [1.2] finally
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.3] enfin, en un mot
Ohatra  5  Farany dia tonga ry zareo. [2.356]
Kamban-teny 
Lohateny  7  Farany (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
8  Ny Variraiventy farany (Andriamalala Emilson Daniel)

Teny iditra (2/3)9  farany
Sokajin-teny  10  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  11  [1.1] Aoriana indrindra amin' ny laharana, amin' ny fanadinana na fifaninanana: Ny Desambra no volana farany amin' ny taona ~ I Naivo no farany tamin' ny fanadinana tao
Fanazavàna teny anglisy  12  [1.2] The end, the last, the conclusion, the extremity, the close.
13  [1.7] the end, a limit
Fanazavàna teny frantsay  14  [1.3] la fin d'une chose, le bout, la termisaison
dernier
Ohatra  15  ho tsara farany hianareo! [2.48]
16  Tsinjony fa efa akaiky ny farany. [2.499]
17  Betatao, farany Merina amoron' ala; [2.48]
Mpanahaka  18  farana
Kamban-teny 
Lohateny  22  Tantaran' ny Martiora Malagasy Farany : nijaly tamin' ny 1857 (Rajoelisolo Charles)

Teny iditra (3/3)23  Farany
Singan-teny  24  farany
Sokajin-teny  25  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  26  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  27  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsiratra manontolo 
28  Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
29  Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
30  Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
31  Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!

32  Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
33  Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
34  Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
35  Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!

36  Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
37  Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
38  Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !

39  Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
40  Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
41  Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!

Fivaditsoratra  42  afiran, fanari, fanary, fanira, farany, Farany, farina, finara, firaña, firana, ifaran, nafari, nafira, narafi, narifa, nifara, rafina

Nohavaozina tamin' ny 2024/11/25