|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  fety
Fototeny  2 ety
Sokajin-teny  3  anarana
Haiendriteny 
4  Tsotra :
5  Tovonana :
Fanazavàna teny frantsay  6 convenance, consentement, assentiment [1.3#441]
Tovy hevitra  7 fetezana
Fikambanana  8  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how fety
Ohabolana  9  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 10  fety
Sokajin-teny  11  anarana
Haiendriteny 
12  Tsotra :
13  Tovonana :
Fanazavàna teny malagasy  14 Fankalazana amim-pomba manetriketrika ny fitsingerenan' ny andro lehibe iray: Tao aloha, nisy roa ny fetim-pirenena malagasy: dia ny 26 Jiona sy ny 14 Oktobra, ilay voalohany fahatsiarovana ny nahazoana ny fahaleovantena ary ilay faharoa fahatsiarovana ny nijoroan' ny Repoblika
15 Firavoravoana lehibe, lanonana: Nanao fety izahay tamin' ny fankalazana ny mariazin' ny zokinay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  16 a festival, a holiday [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  17 fête, réjouissance publique [1.8]
Ohatra  18  andro zoma no fety tamin'izao [2.59#348]
19  Ka nandeha ry zareo namonjy lanonan' ny mpanjaka, fetin' ny mpanjaka [2.606#198]
20  Halan' ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo [2.996#29.1.14]
21  fitaomana biriky ho an' ny sekolim-piangonana, fakana bozaka ho an' ny tranoheva fanaovam-pety, fanaovam-bokatra samihafa tsy miato [2.470#79]

Teny iditra (3/3) 22  Fety
Sokajin-teny  23  anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Fikambanana  24  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny how fety

Fivaditsoratra  fety, Fety, 25 tefy

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/14