Teny iditra fisahanana (sahana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiandraiketana, fiatrehana, famonjena asa na raharaha maro miaraka: Mbola iderako anao ny fisahananao ny asa sarotra iantsorohanao sy ny raharahan-tokantrano vonjenao samy irery [1.1]
Fanazavàna teny frantsay L’action de faire face à un travail [1.3]
Ohatra 
1Ny fisahanana ny asa aman-draharahan'ny mpanao gazety dia voalamina araka ny lalàna. [1.320]
2Amin' izany fandaminana izany, dia afaka mampihatra tanteraka ny fahefany ny Fanjakana amin' ny fisahanana irery ny andraikitra amin' ny fandaminana ny raharaham-pifidianana. [4.27]

Teny iditra fisahañana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] fitsapana [1.78]
  [Tanala] fanoharana, fanandramana [1.78]

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/08