Teny iditra (1/5) | 1 fisoronana |
Fototeny | 2 sorona |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano |
Teny iditra (2/5) | 5 fisoronana |
Fototeny | 6 sorona |
Sokajin-teny | 7 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
8 [1.1] Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany |
Fanazavàna teny frantsay |
9 [1.3] l'action d'attiser le feu, l'instrument |
Ohatra |
10 Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo. [2.470] |
Teny iditra (3/5) | 11 fisoronana |
Fototeny | 12 sorona |
Sokajin-teny | 13 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
14 [1.78] [Tambahoaka]
[fisoroñana] fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) 15 [1.1] Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. |
Fanazavàna teny frantsay |
16 [1.3] l'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif |
Ohatra |
17 Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; [2.996#02.029.009] 18 Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [1.38] |
Lahatsoratra |
19 Randzavola: fisoronana ao amin' ny Baiboly |
Teny iditra (4/5) | 20 fisoroñana |
Sokajin-teny | 21 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
22 [1.78] [Tambahoaka]
tsangambaton-tsampy |
Teny iditra (5/5) | 23 Fisoronana |
Sokajin-teny | 24 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
25 [2.611] (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita |
Voambolana |
26 Soratra Masina |
Tovy hevitra | 27 levitika, levitika, levitika, levitikosy, levitikosy, levitikosy |
Lahatsoratra |
28 Randzavola: Fisoronana => Fanatitra sy Mpisorana |
Fivaditsoratra | 29 fisoronana, fisoroñana, nosaforany |
Nohavaozina tamin' ny 2024/10/20 |