|
|
|
|

Teny iditra1  fitampoha
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10] fampandroana an' i Dady. Dady dia isan' ny razamben' ny andriana sakalava, rahefa natokana ho zanahary hotompoina sy hiankohofana izy, sady efa vita moharay tamin' ny nifim-boay ny nifiny sy ny hohony, ets., ary tsy natao izany raha tsy efa amin' ny andron' ny zafikeliny izay manjaka. Izany no nanaovana azy hoe "Dady": Idadabe, satria raiben' ny zafiny manjaka amin' izay fotoana izay izy. Tsy maintsy nanokanana andro firavoravoana lehibe indray mandeha araka izay fe-taona na fe-potoana voatendry i Dady, hanompoana sy hanandratana azy ary hiankohofana aminy. Izany no atao hoe "fitampoha". Vahoaka tsieranaina no antsoina amin' izany rahefa hampandro an' i Dady. Milahatra manao tsy omby aloha amin' ny arabe dia miala satroka daholo rahefa mandalo izy.
4  [1.1] Fampandroana ao anaty rano mandeha ny sisan-taolan'ny razan'ny mpanjaka sakalava, izay atao amim-pomba lehibe arahindanonana isaky ny folo taona.
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.5] cérémonie du bain des reliques royales des Sakalava du Menabe
Ohatra  6  [2.508] Efa fanao hatry ny ela ny fitampoha.
7  [2.606] Ny hevitry ny teny hoe "fitampoha" dia fandroana.
Fototeny  8  tampoka
Lohateny  9  Fantaro ny Fitampoha (anonymous)

Fivaditsoratra  10  fampihota, fitampoha

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/07