5 Toa lisy maina, toa raozy malazo,
6 Misento fa ory sy manina anao,
7 Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo?
8 Asa, tsy fantatra hatramin'izao.
9 Miofo ny loko, malazo ny taho,
10 Toa zary bozaka, tsy lisy intsony.
11 Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho,
12 Toa rivo-baratra tsy mba mitony
13 Miova ho fatana izany masoandro,
14 Ny rivotra koa manjary mamono:
15 Izany no fiainana maizina antoandro
16 Manolo-poizina izay mila ronono
|
17 Ny lira madinika, mozikan'Edena:
18 Izany tsy re, izany tsy misy;
19 Tsaroana fa singany irery ny tena,
20 Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy.
21 Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo!
22 Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia
23 Fa ketraka hoe ka tena mimalo
24 Ilay tsy eo anilany lavitra aty.
|