|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  fo
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Taova vongana iray ao anaty tratra havia, azo heverina ho fototry ny aina noho izy mampandeha ny ra eran' ny tena amin' ny fitepony tsy an-kijanona: Lehibe ohatra ny totohondrin' ny tsirairay hono ny fon' olombelona. (Misy tsipika lempona iray mizara ny fo ho ilany havia sy havanana, izay misaraka tsy misy ifandraisany, fa ny ilany iray avy kosa indray samy mizara roa ahitana sofimpo ambony ary vatampo ambany, ka ireo efitra ambony sy ambany ireo no mifandray amin' ny alalan' ny valviola izay tsy mamela ny ra hiverin-dalana
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] the heart (physical)
5  [1.7] the heart
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3, 1.8, 1.13] coeur
7  [1.3] intérieur, moelle de certaines plantes
8  [1.196] (tous les dialectes) Sens général : le coeur, les organes internes, la matrice quand il s'agit des femmes ; pour les plantes : nom de la moelle quand elle est particulièrement légère et molle. On les emploie pour bourrer les coussins, pour faire des compresses, etc.
Voambolana  9  Haiaina
10  Haizavamaniry: amin' ny ankapobeny
Haiendriteny 
11  Tsotra :
12  Tovonana :
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran' olona 
Anaran-toerana 
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny fo io

Teny iditra (2/4)24  fo
Sokajin-teny  25  anarana
Fanazavàna teny malagasy  26  [1.1] Foiben' ny fihetseham-panahy tsaroan' ny olombelona rehefa faly na malahelo na matahotra na mangoraka, na tia na mankahala...: Olona mora entin' ny fo ny Malagasy
Fanazavàna teny anglisy  27  [1.2] the heart (moral); the will, sentiment, desire; intention, disposition
Fanazavàna teny frantsay  28  [1.3] volonté, courage, désir, intention
Voambolana  29  Ontam-po
Haiendriteny 
30  Tsotra :
31  Tovonana :
Sampanteny 
32  Matoantenin' ny mpanao :
33  Matoantenin' ny iharana :
34  Anarana :
35  Mpamaritra :
36  Tambinteny :
Kamban-teny 
Lohateny  41  Fo mitohy (Rabearivelo Jean-Joseph)
42  Misy vitsika mantsy ny fony (Nivondrahona)
43  Vavaka ao am-po (Doriguzzi A.)
Ohabolana  44  Ohabolana misy io teny fo io
Lahatsoratra  45  Randzavola: fo ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4)46  fo
Sokajin-teny  47  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  48  [1.2] [Provincial] foana

Teny iditra (4/4)49  fo~
Sokajin-teny  50  tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  51  [1.1] Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza habetsahana: forehitra (rehitra), foretsika (retsika),
Fanazavàna teny frantsay  52  [1.12] préfixe qu'on trouve dans la composition de racines secondaires: forehitra (rehitra), foretsika (retsika), forofotra (rofotra)

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/11