Teny iditra fotsiny (fotsy, -ny)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Tsy misy fanampiny tsy misy fangarony: Vary fotsiny no haniny isan' andro (tsara homarihina fa na mitovitovy hevitra amin' ny Ihany sy ny Monja aza ny Fotsiny dia misy maha-samy hafa azy amin' ireo ihany: ny fotsiny dia manantitrantitra momba ny tsy fisiana fanampiny, fangarony: Vary fotsiny no haniny; ny ihany, momba ny maha-irery ilay voalaza: Rakoto ihany no mpampianatra azoazoko; ary ny monja kosa, fampiasa indrindra miaraka amin' ny teny milaza: Mpianatra telo monja no tonga [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Alone, exclusive of anything else, for nothing, insignificantly, causelessly. See foana, hiany, maina. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Seulement, simplement [1.3, 1.5]
 Sans raison, vainement, inutilement [1.3]
Ohatra 
1Dia aoka fotsiny e! [2.445]
2Fakana sary fotsiny ve? [2.356]
3Ekeo fotsiny aloha ny adidy. [2.528]
4Fisotroana fotsiny no natao tao. [2.4]
5Manginy fotsiny izany, hoy ny mahalala. [2.499]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31