Teny iditra hadina (hady)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Loahana: Nohadin' ny riaka ny arabe ka be loadoaka
Ongotana: Vomanga sa mangahazo no hohadina e?
Fongarina, alaina (avy any anaty tany): Manjarano no nohadina teto taloha
Dinihina, fotorana: Efa nohadin' ny mpamototra ny raharahanareo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be dug, to be made into a trench. [1.2]
 To be dug [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on creuse [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : hadina, hadiko, hadinao, hadiny, hadintsika, hadinay, hadinareo, hadin', hadin-, hadim-, hadi-
Ny lasa : nohadina, nohadiko, nohadinao, nohadiny, nohadintsika, nohadinay, nohadinareo, nohadin', nohadin-, nohadim-, nohadi-
Ny hoavy : hohadina, hohadiko, hohadinao, hohadiny, hohadintsika, hohadinay, hohadinareo, hohadin', hohadin-, hohadim-, hohadi-
Filaza mandidy : hadio
Ohabolana 

Teny iditra hadina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bezanozano] Fiarahabana [1.78]
Sampanteny 
 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20