|
|
|
|

Teny iditra1  herintaona
Singan-teny  2  herina, taona
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, izany hoe 365 andro sy 4 ora na ampahefatry ny andro iray
Elanelam-potoana misy andro 365 manomboka ny 1 Janoary ka miafara ny 31 Desambra, mitovy amin' ny taona ihany: Hianatra any Andafy, hono, izy amin' ny herintaona
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] a year
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#239] un an
7  [1.8] une année
Ohatra  8  Nampianarina nandritra ny herintaona ny miaramila. [2.508#]
9  ka raha tsy mahaloa dio atao gadralava herintaona. [1.123#]
10  Karamam-behivavy manetsa tapak' andro ka tsy azony herintaona! [2.643#]
Voambolana  11  Fotoana
Kamban-teny 
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny herintaona io

Fivaditsoratra  15  anetrohany, aninteraho, anotrehany, hanetroany, hanterinao, harentinao, herintaona, natrehinao, nihetranao, niotrehana, nohetranay, notrehanay

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21