|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  taona
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Fanazavàna teny malagasy  4 Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, na fotoana ahatafahodinan' ireo fizarana efatra: lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina, ka iverenany amin' ny niandohany indray; ny taona iray dia misy volana vazaha roa ambin' ny folo, na herinandro roa amby dimampolo na andro dimy amby enimpolo sy telonjato. Ny taona malagasy (roa ambin' ny folo volana izay misy valo amby roapolo andro mahery kely tsirairay avy) dia fohy noho ny taona vazaha ka noho izany no iantsoana ny taona malagasy hoe taona miantsorona: Firy taona izao ny zanakao lahimatoa?
5 Marika na isa ilazana ny taona iray izay isaina hatramin' ny vanin' andro lehibe iray eo amin' ny tantara (oh. ny mariky ny isan' ny taona ampiasain' ny ankamaroan' ny firenena ankehitriny dia hatramin' ny nahafatesan' i Kristy): Taona 1960 no nahazoan' i Madagasikara ny fahaleovantenany indray [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 the year; a season [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 année [1.3#681, 1.8, 1.13]
8 les saisons de l'année [1.3#681]
9 saison [1.8]
Ohatra  10  Firy taona ianao? Roa-polo taona aho (Quel âge avez-vous? J'ai vingt ans) [1.3#681]
11  taonam-betsovetso mamy [2.817]
12  Ity fa tamy ny taom-pahavaratra [2.445#56]
13  Toy izany koa ny nanisana ny taonan'ny olona iray [2.117#123]
14  Hifarana soa aman-tsara ny taon-tsekoly [2.356#73]
15  Asesy araka ny fanombanana ny taonany izany [2.606#85]
16  Tamin' ny faha-100 taonan-dRasalama tao Antananarivo izahay no nihaona matetika [2.356#86]
Voambolana  17  Fotoana
Fikambanana  18  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 49 misy ny teny hoe taona
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  20 Randzavola: taona ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2) 21  taona
Sokajin-teny  22  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  33 Tatitra entana na zavatra hafa ho amin' ny toerana hafa
34 Fitarihana olona hafa hanaraka ny hevitry ny tena [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  35 action de porter d'un lieu à un autre
36 action de porter à, de pousser, d'encourager à, de séduire, de tenter [1.3#681]

Fivaditsoratra  37 antao, 38 atano, 39 atona, 40 tanoa, taona

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21