Teny iditra Indray andro tao Sahabe
Singan-teny indray ; andro ; Sahabe
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Andry Andraina
Lahatsoratra 
Loharano kely tsy dia manahoana
Mivoaka avy eo am-pototr' i Mandraka,
Toa tsy maika, tsy manenjika fotoana,
Mihoatra aza, varian-drery, mitanàka ;
Roso, kely halalina maharitra,
Raha itsakana tsy tafakatra hafe,
Loharano ety maso, kely faritra,
No manome ny renirano Sahabe.
Ny tany bezanozano no vakiny,
Lalovany tsy azon' antso i Moramanga,
Mianavaratra ny lalana zohiny,
Madio, tsy omban-tany, tsy haroin' antsanga.
Antsihanaka amin'izy marim-boho
No idirany rano efa be velarana,
Mandalo andrefan' ny vohitr' Ambaiboho,
Any Alaotra ny diany no mifarana.

Indray taona izay, tony indrindra ny voary
Nanemitra ny renirano Sahabe,
Ka ny fotoana, teo, sendra masa-bary,
Dia notorian'ny feo tetsy sy teroa re :
Ao ny siokan’ny salohy navesa-boa
Nafafin'ny onja tokam-bolo tazana,
Ny kiakiakan’ny fody, mba nanako koa,
Nampiloatra ny hafalian-tsy ahombiazana ;
Ao ny kotaban'ny gisa, kanakana.
Nitobahan-tsakafo, toa nilanona,
Ny omby nimà, manim-bala na kijana,
Nefa voatery hiasa tsy an-kijanona ;
Ao ny olona, nangina dia tanteraka,
Nijinja, variana, nanadino trano,
Na nitaona, nitety, kaoka, reraka.
Ny tetezan-kazo nitatao ny rano.

Io no tetezana, foana arofanina,
Angamba efapolo metatra halava,
Hamitana zavatra iray nomanina,
Zavatra tsy mora tantarain’ ny vava.
Tamin' izany, nisy fihetseham-baovao
Nanova ny tontolo tony ranoray ;
Sahabe aza, gaga ireo mananaina teo,
Ka taitra ny trondro, zendana ny voay.
Avy andrefana, avy atsinanana,
Tamy, andia roa lavitra ny ho faly,
Nasesin’ny olona ombam-basy an-tanana,
Vazaha sy miaramila soanagaly.
Tantsaha nisy zato lahy mahery,
Nitafy soga, jiafotsy, sikim-bory
Samy naradratra, nisoliti-pery,
No teo, indreo, nampihaonina, navory.

Ny atsinanana no natao hisantatra
-- Folo lahy sina, tsy nandrenesam-peo --
Ny anton-draharaha tsy mbola fantatra,
Anton' ny niaviana, nifamoriana teo.
Ireo folo lahy aloha voavaka
Dia nandroso nitsaotsaoka toa hisaotra ;
Nampijoroina, toa amoron-davaka,
Teo an-tetezana nanitsy an' Alaotra.
Nalahatra tsara niamboho rano ireo ;
Nasiany sarona ny tapany ambony
Araka ny baiko azony teo no ho eo,
Dia sarona efa nivatsiany, gony.
Soanagaly mpampanjaka horohoro,
Folo koa, vonona amin-tifitra rere,
Nikendry anoloana, niandry ny hoe : “Doro” !
No hampidaboka ireo any Sahabe.

Mova tsy nitana aina ny tontolo
Nanaraka ny fiomanana rehetra,
Fa nony ny folo novonoin' ny folo
Ny fiandrasana niova ho hararetra.
Ny rivotra re ho nihovitrovitra,
Ny habakabaka toa hikoa, hikoro,
Ny vohon-tany zary triatra, rovitra,
Ny velona niampify, nihorohoro.
Fa ny famonoana nitohy ihany ;
Nangalana ny ankilany sy andaniny,
Dia nasesy samy tsifolofolo hatrany ;
Ny tonia, tsy nisy iray nodinganiny.
Maty hena ireo niandry izay anjarany,
Indrindra ny efa akaiky hampandrosoina ;
Ny tifitra raha ny nitsaharany
Dia nony tsy nisy koa ny hovonoina.

Gaga ny trondro, talanjona ny voay,
Toy ireo nahita tsy fahita ihany ;
Fa, taorian'ny riatra sy daonan-drano iray,
Izy koa nivadika aina lozan-tany.
-- Nahavita hadisoana angaha, hono,
Hoy ny fony iray nilaza ny mba reny,
Ireo zary olon-dia nampiharim-bono,
Toa hoe tsy lefitra ny hadisoam-beny !
-- Nangalatra sy namaky trano ireo ve,
Hoy ny foza, sa koa nahafaka aina ?
-- Tsia, hoy ny mpilaza, nandà ny lehibe
No helok'ireo, nalaina hoziogaina !
-- Ratsy izany ve ? hoy ny toho keliray,
Raha mba mitraka dia hafoy ny aina ?
-- Mahadiso kosa izany, hoy ny voay.
Nadinika no hiseho ho be saina !

Fa ny nampandroso ny folo isan' ila
Dia Vazaha tarehin' ny maika lava,
Hafa tsy tahaka ireto miaramila
Fa be rebareba sy volombava.
Izy no nandahatra eo avaratra,
Nibaiko, morainy edrey nila tsy ho re,
Nitso-drano ireo hitselaram-baratra
Amin' ny vokovoko marika faobe.
-- Olo-masina iny, hoy ilay mpilaza,
Manao an-tratra ny andraikitra niantsoana,
Manadio amin'ny ratsy tsy sahaza
Ireto efa diso imbetsaka miantoana.
-- Izay, hoy ny voay feno fahendrena,
Sady hadisoana no koa fahotana
No nataon' ireo ninia namono tena ;
Soa fa misy tsy leo, tsy sasa-piatrana !

Roapolo taona mihoatra aty aoriana,
Gaga ny trondro, talanjona ny voay,
Indrindra ireo zaza tsy ela nahariana,
Fa i Sahabe toa mihamarivo indraindray.
Rahefa ririnnina andro,masa-bary,
Ka ny tsindretra mandositra tandroho,
No ahatsapana izany mirahihary
Manaraka ny tetezan' Ambaiboho.
Ny renirano hatrizay tsy rototra
Dia eo vao mainka indray toa miroanahana,
Ny lalany, ohatra ny ho tototra,
No miseho ho sakana mibahana.
Fa mievotra, akaiky hanangasanga,
Misy tohitra koriana tsy hisosa,
Tazana noho ny tsi-fisian' antsanga
Taolam-potsy manao antonta miavosa.

Nony natao ve ny tetezan-kazo teo,
Sy nasiana lalam-by ho an'ny kraomita,
Nokaohina hiala ireo taolam-potsy ireo,
Noho ny famboaram-be tsy maintsy vita.
Teo ny trondro sy ny voay vao niaina,
Vita ny sakantsakana tambalana,
Tsaroany ho nisy hidy novohaina,
Na rano na izy samy mora lalana.
Ny hiangaviako anao izao mamaky ahy
Dia tsy hanaiky hamoy aina sanatria,
Na ho faty ray, iray tam-po, zaodahy,
Fa hisaina ireo natao sorona iray dia.
Raha mitraka ianao ankehitriny,
Sao dia antony mba niavian' izany re,
Toy ny rehetra naringana fahiny,
Ireo ripaka indray andro tao Sahabe ?
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20