|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  kabary
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Teny lavalava voalahatra sy voarindra atao eo imason' ny olona tafavory: Fatratra izay kabary am-panambadiana tamin' ny fanambadian' ny zanak' anabaviko izay
Fanambarana teny midina: Efa nandalo teo ve ilay mpiantso kabary?
Levilevy, faniniana, anatra na teny lavareny: Aza itondranao kabary vao maraina aty izahay
Fiampangana na fitoriana ataon' olona amin' ny tena eo amin' ny fitsarana, ady amin' ny fitsarana: Moa dia natao ho very va re aho ka narianao tamin-kabary?
Vaovao: Inona no kabarinao? (fandre indrindra amin' ny fitenim-paritany
4  [1.13] lahateny kanto sy mirindra atao an-kavoriana
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] A public proclamation, a message from the sovereign or rulers; an assembly convened for public business; business or public speeches; an important matter
6  [1.7] a palaver, a public discourse
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3, 1.8] Discours public
8  [1.3] proclamation, publication, affaires traitées dans les réunions publiques ; assemblée publique, querelle, procès
9  [1.8] palabre
10  [1.13] discours
Ohatra  11  [2.245#] Vita eo ny kabary.
12  [2.508#] Vao izay vao mamaky kabary;
13  [2.488#] Ireo no fototry ny kabary hatraiza hatraiza.
Voambolana  14  Haisoratra: (amin' ny ankapobeny)
Haiendriteny 
15  Tsotra :
Sampanteny 
16  Matoantenin' ny mpanao :
17  Matoantenin' ny iharana :
18  Matoantenin' ny fameno :
19  Anarana :
20  Mpamaritra :
Tovy hevitra  21  volana@mg.n
Kamban-teny 
Lohateny  26  Kabarim-panambadiana (Rabenjamina Androvakely)
27  Kabary amin' ny famadihana (Rasamuel Maurice)
28  Kabary amin' ny fampisehoan-dambamena ho entin' ny maty (Rasamuel Maurice)
29  Kabary amin' ny Fanolorana omby ho an' ny mpandevina (Rasamuel Maurice)
30  Kabary am-panambadiana sy amin'ny fanasana : Fomba fanao raha misy maty: famangiana ~ levenana ~ kabary am-pandevenana (Rasamuel Maurice)
31  Kabary am-pandevenana (Rasamuel Maurice)
32  Kabary Malagasy tsy tontan' ny ela : Fanaka volamena mirakitra ny fahendren' ny razana (Rainitovo)
33  Kabary nataon' Andrianampoinimerina
34  Kabary nataon-dRabemila
35  Kabary nataon-dRadama I
36  Kabary nataon-dRadama II
37  Kabary nataon-dRainilaiarivony
38  Kabary nataon-dRanavalona I
39  Kabary nataon-dRanavalona II
40  Kabary nataon-dRasoherina
41  Kabary nataon-dRavalomanana Marc (Ravalomanana Marc)
42  Kabary vaovao (Rabetsimandranto Fidelis-Justin)
43  Ny Fikabariako : ny kabary Malagasy ankehitriny ~ fianarana mikabary (Ramamonjisoa Edouard)
44  Ny kabary (Rahajarizafy Antoine de Padoue)
Ohabolana  45  Ohabolana misy io teny kabary io
Teny nalaina  46  Soratra misy io teny kabary io

Teny iditra (2/2)47  kabary
Sokajin-teny  48  anarana
Fanazavàna teny malagasy  49  [1.78] [Sihanaka] anton-dia, sahabo

Fivaditsoratra  50  baraky, barika, -barika, kabari, kabary, kabira

Nohavaozina tamin' ny 2025/06/09