|
|
|
|

Teny iditra1  kamory
Fototeny  2  vory
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Rano mihandrona ao amin' ny toerana iray, ka kelikely kokoa noho ny farihy fa lehibe kosa miolotra amin' ny dobo
5  [1.13] velaran-drano mihandrona tsy dia lehibe loatra vita-nanahary na namboarina; antsoina koa hoe matsabory
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.7] a pond or reservoir
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3, 1.13] étang
8  [1.3, 1.8] bassin, réservoir
9  [1.19] [Tankarana] petit lac.
Ohatra  10  Ombieny ombieny, zary lalana ny fefiloha mampisaraka ny ony amin' ny tanimbary, ny tanimbary amin' ny heniheny sy ny kamory lehibe sy kely. [2.470]
11  Tao Alaotra no tena nonenany, nefa ny faritra rehetra manodidina ka nisy kamory na heniheny, nahitana azy daholo. [2.472]
Voambolana  12  Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Kamban-teny 
Lahatsoratra  14  Randzavola: kamory ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  15  arokim, kamory, kimora, mariko, miroka, okarim

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21