|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  kanjo
Sokajin-teny  2  mpampitohy
Sampanteny 
3  Tambinteny :
Fanazavàna teny malagasy  4  Mitovy amin' ny "kanefa" saingy manisika hevitra hoe: "mifanohitra amin' ny nampoizina": Nikasa ny hitsangantsangana izahay, kanjo narary tampoka ny reninay ka voatery nijanona izahay [1.1]
[2.69#]
Fanazavàna teny frantsay  5  cependant, au contraire [1.3#308, 1.5#165]
6  malheureusement [1.5#165]
7  mais voilà que, contre toute attente: Saika hilalao nandritra ny andro aho, kanjo narary tampoka i neny ka voatery nody haingana aho (j'allais jouer toute la journée, mais voilà que maman tomba subitement malade aussi je dus rentrer très tôt) [1.12]
Ohatra  8  Ibaba lahy no atao ho mpahafantatra kanjo tsy mahalala [2.69#]
9  kanjo hay efa ho teraka izy tsy mety ho tafatombina iny [2.528#]
10  kanjo nony fakafakaina, toa tsy araka izany no mitranga [2.296#]
Tsanganana sy sary iray takila  11  Ny mpampitohy rehetra

Teny iditra (2/3)12  kanjo
Sokajin-teny  13  anarana
Voambolana  14  Haizavamaniry: ahitra
Fanazavàna teny anglisy  15  Provincial for aKANjo [1.2#314]

Teny iditra (3/3)16  kanjo
Sokajin-teny  17  anarana
Voambolana  18  Haizavamaniry: ahitra
Fanazavàna teny anglisy  19  a trailing herb, Ipomea s [1.2#314]
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  21  jonka, kanjo

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/14