Teny iditra lafy valo
Singan-teny lafy ; valo
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy [ lafivalo ] (a) ara-jeografia: ireo vazan-tany efatra sy ny efatra elanelany, dia ny avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana, miampy ny avaratra-atsinanana, avaratra-andrefana, atsimo-atsinanana sy atsimo-andrefana. Ireo lafin-tany ara-jeografia ireo no mazana ampiasan' ny olona azy ankehitriny. Noheverin' ny ntaolo ho efa-joro mantsy ny tany ary samy misy ireo anarana efatra ireo koa ny firenena rehetra. Araka izany, ny hoe lafivalo dia milaza ny toerana rehetra eto Imerina (taloha) ary eto amin' ny Nosy manontolo (ankehitriny).
(b) Fa teto Imerina fahiny dia fiteny koa ara-pokontany, dia ny Tsimahafotsy (Ambohimanga), ny Mandiavato (Ambohidrabiby), ny Tsimiamboholahy (Ilafy), ny Vakiniadiana (Ambatomanga, Manjakandriana, Amoronkay), ny Vakinisisaony (Alasora), ny Ambodirano (Antsahadinta, Fenoarivo), ny Marovatana (Ambohidratrimo), ny Imamo (Arivonimamo).
(d) Indraindray dia nilazana ny ara-pirazanana ny hoe lafivalo, dia ny Andriana, ny Hova, ny Maintienindreny, ny Manendy, ny Manisotra (Ambohijoky), ny Vakinankaratra (Betsileo-Avaratra), ny Mpanompo (andevo) ary ny Zazamanga na Masombika avy any Afrika. Amin' ny tontaliny ny hoe lafivalo dia nilazana ny toerana rehetra sy ny vahoaka rehetra miara-mivory tsy an-kanavaka: Vory etoana ny lafivalo, koa dia ... [1.10]
 Ilazana ny havana rehetra izay heverina fa niely eran' ny vazan-tany valo, dia ny avaratra, ny atsimo, ny andrefana ary ny atsinanana, sy ny elanelan' ireo avy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Les huit castes de la province de l'Imerina [1.3]
 Ensemble des parents [1.54]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/08