| Teny iditra (1/2) | 1 mamandrika |
| Fototeny | 2 fandrika |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
8 Maka amin' ny alalan' ny fandrika: Mahafinaritra an' i zandry ny mamandri-borona rehefa any ambaniaohitra
[1.1] 9 manao izay hahavoa amin-kafetsena [1.1, 1.13] |
| Fanazavàna teny anglisy |
10 to ensnare, to lay a trap for.
[1.2] 11 to trap [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
12 tendre un piège
[1.3#146, 1.8] 13 accaparer: Namandri-bary betsaka izy (Il a accaparé beaucoup de riz) 14 s'abonner: Mamandrika gazety (S'abonner à un journal) [1.3#146] 15 piéger [1.13] |
| Ohatra |
16 Mbola kely izy io dia mamandrika vorona ary dia mahazo!
[2.606#]
17 Marina izany, hoy Ineny, sady raha mamandrika hianao, dia moramora kokoa ny vidiny. [2.332#] 18 namandri-borona aho ka nahazo fody folo (J'ai tendu un piège aux oiseaux et j'ai pris dix cardinaux) [1.3#146] 19 Matetika io mpianatra io no mamandrika an-dRamose amin' ny fanontaniana saro-baliana [1.3#146] |
| Fikambanana | 20 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mamandrika |
| Ohabolana | 21 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 22 mamandrika |
| Fototeny | 23 fandrika |
| Sokajin-teny | 24 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
29 Mangorona: Mamandri-bary ny olona amin' ny fararano
30 Mividy mialoha zavatra tsy mbola vita na zavamaniry tsy mbola azo hanina: Efa nisy namandrika daholo ireto foto-kafe ireto ~ Mamandrika gazety ~ Tonga hamandrika ny dikisionera malagasy-malagasy aho, tompoko [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
31 to subscribe to a periodical; to reserve a place or seat
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
32 s'abonner; retenir une place, une chambre, etc
[1.8] |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21 |
|