Teny iditra mamandrika (fandrika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Maka amin' ny alalan' ny fandrika: Mahafinaritra an' i zandry ny mamandri-borona rehefa any ambaniaohitra [1.1]
 Manao izay hahavoa amin-kafetsena [1.1, 1.13]
Fanazavàna teny anglisy To ensnare, to lay a trap for. [1.2]
 To trap [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tendre un piège [1.3, 1.8]
 Accaparer: Namandri-bary betsaka izy (Il a accaparé beaucoup de riz)
S'abonner: Mamandrika gazety (S'abonner à un journal) [1.3]
 Piéger [1.13]
Ohatra 
1Mbola kely izy io dia mamandrika vorona ary dia mahazo! [2.606]
2Marina izany, hoy Ineny, sady raha mamandrika hianao, dia moramora kokoa ny vidiny. [2.332]
3Namandri-borona aho ka nahazo fody folo (J'ai tendu un piège aux oiseaux et j'ai pris dix cardinaux) [1.3]
4Matetika io mpianatra io no mamandrika an-dRamose amin' ny fanontaniana saro-baliana [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamandrika
Ny lasa : namandrika
Ny hoavy : hamandrika
Filaza mandidy : mamandriha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mamandrika (fandrika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mangorona: Mamandri-bary ny olona amin' ny fararano
Mividy mialoha zavatra tsy mbola vita na zavamaniry tsy mbola azo hanina: Efa nisy namandrika daholo ireto foto-kafe ireto ~ Mamandrika gazety ~ Tonga hamandrika ny dikisionera malagasy-malagasy aho, tompoko [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To subscribe to a periodical; to reserve a place or seat [1.7]
Fanazavàna teny frantsay S'abonner; retenir une place, une chambre, etc [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamandrika
Ny lasa : namandrika
Ny hoavy : hamandrika
Filaza mandidy : mamandriha

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/26