|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mamandrika

Ohabolana 1Fandri-boron' Ambohidralambo : ny tsy mamandrika manantena hahazo. [2.558]
Fandri-boron’ Ambohidralambo: ny tsy maman-drika no manantena hahazo. [2.415 #5750, 2.653 #921]
Dikanteny frantsayLacet à prendre les oiseaux chez les gens d' Ambohidralambo : ceux qui ne posent pas de lacet, espèrent prendre du gibier. [2.415 #5750]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui attendent l' impossible. [2.415 #5750]

Ohabolana 2Mamandrika akoho atsimon-trano, ka ny any tena ihany no voa ka maty, ka maka alahelo ho any ny tena. [2.653]
Mamandrika akoho atsimon-trano, ka ny an' ny tena ihany no voa. [2.558 #1941]
Mamandrika akoho atsimon-trano, ka ny an' ny tena ihany no voa ka maty, ka maka alahelo ho an' ny tena. [2.415 #5002]
Dikanteny frantsayQuand on tend des pièges à poules au sud de la maison, on y prend ses propres poules ; elles meurent, et c' est pour soi qu' on rencontre le malheur. [2.415 #5002]
Fanazavana frantsaySe prendre à son propre piège. Les volailles étaient toujours à l' angle sud-est de la maison. [2.415 #5002]

Ohabolana 3Ny saina toy ny hady : marivo loatra itsambikinan' ny ankizy, lalin-doatra mamandrika ny tena. [2.558 #3235]
Ny saina toy ny hady : raha marivo loatra, itsambikinan' ny ankizy ; ary raha lalin-doatra, mamotraka ny tena. [2.415 #6191, 2.653 #2411, 2.974]
Dikanteny frantsayL’esprit est comme le fossé: s’il est étroit, un enfant saute par-dessus; s’il est trop profond, on y tombe soi-même. [2.974 #328]
L' habileté est comme un fossé : si c' est peu profond les enfants l' enjambent facilement, et si c' est trop profond c' est un précipice où l' on tombe soi-même. [2.415 #6191]
Fanazavana frantsaySe disait des ruses et des expédients. [2.415 #6191]

Fizahan-teny