|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  mamindra
Fototeny  2 findra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Manova toerana: Iza no namindra ny satroko teto
9 Mitondra amin' ny toerana hala: Lasa namindra ny zanany amin' ny Sekoly any Antananarivo izy
10 Mamboly zavamaniry efana niry tamin' ny toeran-kafa: Mamindra zana-kazo
11 Manendry hiasa amin' ny toeran-kafa: Ny lehiben' ny Faritany no namindra azy ho eto
12 Manome, manolotra: Namindra ny fahefany tamin' ny apostoly i Jesoa
13 Mampita: Tsy tsara ny mamindra hafatra
14 Mandeha: Mbola vao herintaona latsaka dia mamindra tsara sahady ilay zaza
15 Miara-mandeha, mitanjozotra, mirindra tsara: Namindra tsara ny foloalindahy tamin' ny matso tamin' ny 26 Jiona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  16 to remove, to transfer, to transcribe, to transplant, to step, to walk. [1.2]
17 to move; to walk (esp. of a child) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  18 déplacer, changer de place: marcher (se dit surtout des enfants) [1.8]
Ohatra  19  Izay manoro lala-mahitsy no mamindra aina. [2.69#]
20  Ka izahay manana anareo, tsy ho lavo mamindra; [2.245#]
Voambolana  21  Hetsika
Fikambanana  22  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 5 misy ny teny hoe mamindra
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 24  mamindrà
Fototeny  25 findra
Sokajin-teny  26  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamindra [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  mamindrà, mamindra, 27 mindrama

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19