Teny iditra (1/2) | 1 mampakatra |
Fototeny | 2 akatra |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Mitondra amin' ny toerana ambony: Iza no nampakatra ireo entana ireo taty ambony rihana? manondrotra: Izaho ihany no nampakatra anao amin' io toerana io Mitondra amin' ny lehibe: Nampakatra fitarainana any an-tampony aho |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] To send for; to procure; to fetch up, or carry up 6 [1.7] to lift up |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.3, 1.8] soulever, faire monter |
Ohatra |
8 Hoy izy nampakatra ny sorony sady nihomehy. [2.471] 9 Lalina izany afitsokareo izany, hoy ny reniny kirikirina, somary nampakatra feo. [2.470] |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Teny iditra (2/2) | 18 mampakatra |
Fototeny | 19 akatra |
Sokajin-teny | 20 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
21 [1.1] Mankalaza fanambadiana amin-dRa..: Vao tamin' ny asabotsy teo no nampakatra an-dRazanany Rabe |
Fanazavàna teny anglisy |
22 [1.2] to marry (a wife). 23 [1.7] to marry a wife |
Fanazavàna teny frantsay |
24 [1.3, 1.8] épouser une femme |
Ohatra |
25 nampakatra an'i Estera zatovovavy [1.38] 26 Noho izany dia nampakatra ny zanakavavin' i Farao izy ho vadiny. [1.38] |
Haiendriteny |
|
Kamban-teny |
|
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/11 |