| Teny iditra (1/2) | 1 mampakatra |
| Fototeny | 2 akatra |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
8 Mitondra amin' ny toerana ambony: Iza no nampakatra ireo entana ireo taty ambony rihana?
9 manondrotra: Izaho ihany no nampakatra anao amin' io toerana io 10 Mitondra amin' ny lehibe: Nampakatra fitarainana any an-tampony aho [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
11 To send for; to procure; to fetch up, or carry up
[1.2] 12 to lift up [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
13 soulever, faire monter
[1.3, 1.8] |
| Ohatra |
14 Hoy izy nampakatra ny sorony sady nihomehy.
[2.471#36]
15 Lalina izany afitsokareo izany, hoy ny reniny kirikirina, somary nampakatra feo. [2.470#84] |
| Fikambanana | 16 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 4 misy ny teny hoe mampakatra |
| Teny iditra (2/2) | 17 mampakatra |
| Fototeny | 18 akatra |
| Sokajin-teny | 19 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
24 Mankalaza fanambadiana amin-dRa..: Vao tamin' ny asabotsy teo no nampakatra an-dRazanany Rabe
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
25 to marry (a wife).
[1.2] 26 to marry a wife [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
27 épouser une femme
[1.3, 1.8] |
| Ohatra |
28 nampakatra an'i Estera zatovovavy
[1.38#15]
29 Noho izany dia nampakatra ny zanakavavin' i Farao izy ho vadiny. [1.38#376] |
| Fikambanana | 30 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe mampakatra |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19 |
|