|
|
|
|

Teny iditra 1  manafina
Fototeny  2 afina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mametraka zavatra amin' ny toerana tsy hahitana azy; manitrika: Manafina vola
9 Mampiery: Miray tetika amin' ny olon-dratsy izay manafina azy
10 Tsy mampiseho ety ivelany: Mahay manafina ny alahelony io vehivavy io
11 Manarona, manakona: Tsy tsara ny manafina ny marina. / Nisy rahona nanafina ny volana indrindra tamin' izay
12 Mandevina (mpanjaka): Tamin' ny alina no nanafenana ny masina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 to hide anything, to conceal anything; to bury a deceased sovereign. [1.2]
14 to conceal [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 cacher [1.3, 1.8, 1.5]
16 receler [1.3]
17 garder le secret
18 fig. ensevelir les souverains [1.3, 1.5]
Ohatra  19  Hianareo manafina amiko! [2.324]
20  Niondrika aho, nanafina ny ranomasoko. [2.472#162]
21  Ny manafina ny hareny ny maty momba, sy ny hareny ny maty mamosavy; [2.48#1139]
Fikambanana  22  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 7 misy ny teny hoe manafina
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  24  Soratra misy io teny io

Fivaditsoratra  25 fanimana, manafina

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21