Teny iditra manafintohina (tafintohina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao izay mahatezitra: Manafintohina mihitsy io zaza io
Manao toetra tsy mendrika kamitarika ny hafa hanao toy izany: Loza ho an' izay manafintohina ny zaza madinika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To trip; to give offense [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Faire broncher, faire trébucher, faire faire un faux pas
Scandaliser, irriter [1.3]
 Faire broncher; scandaliser [1.8]
Ohatra 
1Tsy sahy anefa, sao manafintohina olona. [2.4]
2Tsy hanao fitafiana elatr' angidina manafintohina. [1.262]
3Tsy mahalala tsy tiana fa misisitsisika manafintohina. [2.643]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manafintohina
Ny lasa : nanafintohina
Ny hoavy : hanafintohina
Filaza mandidy : manafintohìna

Teny iditra manafintohìna (tafintohina (tohina))
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manafintohina [fitanisana]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20