Teny iditra | 1 manaiky |
Fototeny | 2 aiky |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Manao tsy misy fandavana, manaraka ny sitrapon' ny hafa: Manaiky ny lehibeny ny miaramila Mankasitraka, mankato: Manaiky ny hevitrao aho ~ Rehefa tsy miteny, hono dia manaiky, hoy ny tandrefana Mety: Tsy manaiky ny handeha izy Mandray: Tsy manaiky fanatitra na inona na inona izy Manome: Manaiky izay rehetra angatahin-Janany aminy Rasoa, hany ka nanjary mihanta be ny zanany Mitsotra, mibaboka: Tsy nanaiky ny helony ilay voampanga |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to assent to, to agree to, to grant, to consent, to confess, to own, to submit to, to surrender. The reduplicate is manaikinaiky. 6 [1.7] to agree; to obey; to profess a faith |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.3#10] Comme maNEky#mg.av 8 [1.8] consentir; obéir; confesser sa foi |
Ohatra |
9 Koa ianao aza manaiky hibaby ahy [1.251#] 10 miezaka mafy tsy manaiky ho resy [2.313#] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 15 manoa |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 23 Ohabolana misy io teny manaiky io |
Fivaditsoratra | 24 amikina, manaiky, mañiaky, miakany, mianaky, mianika |
Nohavaozina tamin' ny 2023/09/21 |