Teny iditra manapitra (tapitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamita: Hanapitra itý asa ity aho vao handeha
Mandany: Hanapitra na herinandro aho vao hiainga
(Vola) mandoa hatramin' ny farany: Hanapitra ny volako, hono, izy rahampitso ka ho hitantsika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To finish, to bring to an end [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Achever [1.3, 1.8]
 Compléter [1.3]
 épuiser; terminer [1.8]
Ohatra 
1Horakoraka indray no manapitra izay. [2.499]
2Tsia, hoy ireo, tsy maintsy ianao no manapitra ny ainy fa raha tsy izany dia harary ianao na ho faty. [2.643]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manapitra
Ny lasa : nanapitra
Ny hoavy : hanapitra
Filaza mandidy : manapera

Teny iditra manapitra (tapitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny frantsay Salir [1.3]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31