|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  tapitra
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Haiendriteny 
3  Ny ankehitriny :
4  Ny lasa :
5  Ny hoavy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Fanazavàna teny malagasy  8 Vita tanteraka, tomombana: Misaotra fa tapitra ny asa nataonao
9 Tsy misy mijanona na kely aza, lany, foana: Tapitra ny vara tao an-tsompitra
10 Vita, izay no izy: Tapitra ny tantara
11 (vola) Voaloa daholo, tsy misy sisa mijanona: Tsarovy tsara fa tapitra izay ny volanao a! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 ended, finished; used up, all gone [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 fini, terminé [1.3, 1.8]
14 achevé, accompli [1.3]
15 épuisé [1.8]
Ohatra  16  tapitra ity asa ity (Ce travail est fini, terminé, achevé) [1.3#683]
17  tapitra ny taona (Nous sommes à la fin de l'année) [1.3#683]
18  Rehefa tapitra ny tenin'ireo mpiampaga, dia navela hiteny izy telo mianaka. [2.324]
19  Nony tapitra tafavoaka daholo ny voatiry dimy sy enina, dia indry mamonjy mamafa ny tranon-tsoavaly I Lidy. [2.470#155]
20  Nozerany zaran' angady tamin' ny lohany dia tapitra aina teo no ho eo. [2.472#129]
Fikambanana  21  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 9 misy ny teny hoe tapitra
Ohabolana  22  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 23  tapitra
Sokajin-teny  24  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny anglisy  25 ended, finished; used up, all gone [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  26 sali, crotté [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2026/07/17