Teny iditra manavanana (havanana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampiasa ny tanan-kavanana: Raha mbola kely ny zaza dia hita sahady na hanavanana na hanavia
Mahakinga: Manavanana azy ny miteny
Mahavantana, mora arahina: Manavanana ny olona itý lalana itý
Tsy mahamenamenatra, tsy manahirankirana: Lazainy fa manavanana azy ny lehibe mpampiasa azy ka vonona haneho ny fanirian' ny mpiara-miasa izy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Right, on the right; to be dexterous, to work with the right hand upwards in holding anything with both hands. [1.2]
 To be easy, to be convenient for one [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être facile; qu'on trouve commode [1.8]
Ohatra ny tahon-karavasy sy tanan-jioga no manavanana azy kokoa fa tsy zavatra hafa. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manavanana
Ny lasa : nanavanana
Ny hoavy : hanavanana
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11