|
|
|
|

Teny iditra 1  manavia
Fototeny  2 havia
Sokajin-teny  3  matoanteny na mpamaritra
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
Fanazavàna teny malagasy  7 tsy hay atao tsara amim-pahakingana: Manavia ahy ny mandrafitra fa ny mamboatra ny milina no haiko [1.10#H136]
8 Mampiasa ny tanana havia
9 Mampanahirana, mampananosarotra, sarotra: Manavia ahy itý tohatra itý ~ Tsy manavia azy ny miteny anglisy
10 Mahamenatra, manahirankirana: Manavia ahy io olona io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 left, on the left side; to be unable to do a thing, to perplex. [1.2]
12 to be difficult or inconvenient for one [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 etre difficile à faire; qu'on trouve incommode [1.8]
Ohatra  14  Efa nanjary manavia aza ny fihevitra sy fiteny izany. [2.296#]
15  Mora taitra ny lazan-javatra ka very andro amin' izany, manavia azy ny asa-tena, hany ka manantena ny hafa fa malain-kisasatra. [1.381#]
Tovy hevitra  16 manaviavia
Tohi-kevitra  17 manavanana
Fikambanana  18  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe manavia
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  20 maivana, maivaña, 21 mañavay, manavia

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19